Nehemia 7:25-31 Malagasy Bible (MG1865)

25. ny taranak'i Gibeona dia dimy amby sivi-folo.

26. Ny mponina tany Betlehema sy Netofa dia valo amby valo-polo amby zato;

27. ny mponina tany Anatota dia valo amby roa-polo amby zato;

28. ny mponina tany Bet-azmaveta dia roa amby efa-polo;

29. ny mponina tany Kiriata-jearima sy Kefira ary Berota dia telo amby efa-polo amby fiton-jato;

30. ny mponina tany Rama sy Geva dia iraika amby roa-polo amby enin-jato;

31. ny mponina tany Mikmasy dia roa amby roa-polo amby zato;

Nehemia 7