14. Ry Andriamanitro ô, tsarovy Tobia sy Sanbala araka izany asany izany mbamin'i Noadia mpaminanivavy sy ny mpaminany sasany koa, izay nampitahotra ahy.
15. Dia vita tamin'ny roa amby dimam-poloandro ny manda, dia tamin'ny andro faha-dimy amby roa-polo tamin'ny volana Elola.
16. Ary rehefa ren'ny fahavalonay rehetra izany, dia raiki-tahotra ny firenena rehetra manodidina anay, sady hitany fa tsinontsinona izy; ary fantany fa Andriamanitray no nahavitàna izany asa izany.