Nehemia 5:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary nitaraina mafy ny lehilahy sy ny vadiny ny amin'ny Jiosy rahalahiny.

2. Fa nisy nanao hoe: Maro izahay mbamin'ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy; koa ta-hahazo vary izahay mba hohaninay hivelomanay.

3. Ary nisy koa nanao hoe: Ny taninay sy ny tanim-boalobokay ary ny tranonay dia efa nataonay antoka, koa ta-hahazo vary izahay noho ny mosary.

4. Ary nisy koa indray nanao hoe: Efa nisambo-bola izahay handoavanay ny hetran'ny mpanjaka, ary ny taninay sy ny tanim-boalobokay no nataonay antoka.

5. Kanefa mba tahaka ny nofon'ny rahalahinay ihany ny nofonay, ary tahaka ny zanany ihany ny zanakay; fa na dia izany aza, indreo izahay manetry ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy ho andevo, ary ny sasany amin'ny zanakai-vavy dia efa andevo rahateo; nefa tsy manan-ko enti-manavotra azy izahay, satria lasan'ny sasany ny taninay sy ny tanim-boalobokay.

Nehemia 5