Nehemia 3:15-28 Malagasy Bible (MG1865)

15. Ary ny vavahadin-doharano dia namboarin'i Saloma, zanak'i Kola-hoze, komandin'ny fehin'i Mizpa; izy no nandrafitra sy nanafo izany ary nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin'ny hidiny sy ny vavombiny, ary narafiny koa ny mandan'ny farihy Siloa, teo anilan'ny sahan'ny mpanjaka, ka hatramin'ny ambaratonga midina avy any an-TanĂ nan'i Davida.

16. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Nehemia, zanak'i Azboka, komandin'ny antsasaky ny fehin'i Beti-zora, hatramin'ny teo amin'ny tandrifin'ireo fasan'i Davida ka hatramin'ny farihy izay natao ary hatramin'ny tranon'ny lehilahy mahery.

17. Manarakaraka io dia namboatra koa ny Levita, dia Rehoma, zanak'i Bany. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Hasabia , komandin'ny antsasaky ny fehin'i Keila, ho an'ny fehiny.

18. Manarakaraka io dia namboatra koa ireo rahalahiny, dia Bavay, zanak'i Henadada, komandin'ny antsasaky ny fehin'i Keila.

19. Ary manarakaraka lreo dia nisy namboarin'i Ezera, zanak'i Jesoa, komandin'i Mizpa, teo amin'ny tandrifin'ny fiakarana ho any amin'ny trano fitehirizam-piadiana eo amin'ny fiolahana.

20. Manarakaraka io koa dia Baroka, zanak'i Zabay, no nazoto namboatra ny sasany hatramin'ny fiolahana ka hatramin'ny varavaran'ny tranon'i Eliasiba mpisoronabe.

21. Manarakaraka io koa dia nisy namboarin'i Meremota, zanak'i Oria, zanak'i Hakoza, hatramin'ny varavaran'ny tranon'i Eliasiba ka hatramin'ny faran'ny tranon'i Eliasiba.

22. Ary manarakaraka io dia namboatra koa ny mpisorona, dia ireo avy tany amin'ny tany lemaka.

23. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Benjamina sy Hasoba teo amin'ny tandrifin'ny tranony ihany. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Azaria, zanak'i Mahaseia, zanak'i Anania, teo anilan'ny tranony ihany.

24. Manarakaraka io koa, dia nisy namboarin'i Binoy, zanak'i Henadada, hatramin'ny tranon'i Azaria ka hatramin'ny fiolahana eo amin'ny zorony.

25. Ary Palala, zanak'i Ozay, koa, dia ny teo amin'ny tandrifin'ny fiolahana sy izay mandroso eo amin'ny tilikambo ambony, eo amin'ny ranon'ny mpanjaka, eo akaikin'ny tokotanin'ny trano-maizina. Manarakaraka io koa dia Pedaia, zanak'i Parosy.

26. Ary ny Netinima dia nonina tany Ofela hatreo amin'ny tandrifin'ny vavahadin-drano atsinanana sy ny mandroso eo amin'ny tilikambo.

27. Ary manarakaraka ireo koa dia nisy namboarin'ny Tekoita, teo amin'ny tandrifin'ny mandroso eo amin'ny tilikambo lehibe ka hatramin'ny mandan'i Ofela.

28. Hatreo ambonin'ny vavahadin-tsoavaly dia namboarin'ny mpisorona, dia samy ny teo amin'ny tandrifin'ny tranony avy.

Nehemia 3