5. Miamina, Madia, Bilga,
6. Semaia, Joiariba, Jedaia,
7. Salo, Amoka, Hilkia ary Jedaia. Ireo no lohan'ny mpisorona sy ny rahalahiny tamin'ny andron'i Jesoa.
8. Ary ny Levita kosa dia izao: Jesoa, Binoy, Kadmiela, Serebia, Joda ary Matania, dia izy ireo sy ny rahalahiny no tonian'ny fiderana.
9. Ary Bakbokia sy Ono, rahalahin'ireo, dia nifanandrify tamin'ny anjara-raharahany.
10. Ary Jesoa niteraka an'i Joiakima; ary Joiakima niteraka an'i Eliasiba; ary Eliasiba niteraka an'i Joiada;
11. ary Joiada niteraka an'i Jonatana; ary Jonatana niteraka an'i Jadoa.
12. Ary tamin'ny andron'i Joiakima dia nisy mpisorona, lohan'ny fianakaviana, dia izao: Ny avy tamin'i Seraia dia Meraia; ny avy tamin'i Jeremia dia Hanania;
13. ny avy tamin'i Ezra dia Mesolama; ny avy tamin'i Amaria dia Johanana;
14. ny avy tamin'i Meliko dia Jonatana; ny avy tamin'i Sebania dia Josefa;
15. ny avy tamin'i Hadma dia Adna; ny avy tamin'i Meraiota dia Helkay;
16. ny avy tamin'Ido dia Zakaria; ny avy tamin'i Ginetona dia Mesolama;
17. ny avy tamin'i Abia dia Zikry; ny avy tamin'i Miniamina, avy tamin'i Moadia, dia Piltahy;
18. ny avy tamin'i Bilga dia Samoa; ny avy tamin'i Semaia dia Jonatana;
19. ny avy tamin'i Joariba dia Matenay; ny avy tamin'i Jedaia dia Ozy;
20. ny avy tamin'i Salay dia Kalay; ny avy tamin'i Amoka dia Ebera;
21. ny avy tamin'i Hilkia dia Hasabia; ny avy tamin'i Jedaia dia Netanela.
22. Tamin'ny andron'i Eliasiba sy Joiada sy Johanana ary Jadoa ny Levita dia voasoratra ho lohan'ny fianakaviany; ary toy izany koa ny mpisorona, hatramin'ny nanjakan'i Dariosy Persiana.
23. Ny taranak'i Levy, lohan'ny fianakaviana, dia voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantara hatramin'ny andron'i Johanana, zanak'i Eliasiba.
24. Ary ny lohan'ny Levita dia Hasabia sy Serebia sy Jesoa, zanak'i Kadmiela, mbamin'ny rahalahin'ireo izay nifanandrify taminy, mba hidera sy hisaotra araka ny didin'i Davida, lehilahin'Andriamanitra, nifanandrify isan-tokony.
25. Matania, Bakbokia, Obadia, Mesolama, Talmona sy Akoba no mpiandry varavarana ka nitandrina ny fiambenana amin'ny trano firaketana.