Nehemia 12:35-47 Malagasy Bible (MG1865)

35. ary ny sasany tamin'ny taranaky ny mpisorona nitondra trompetra, dia Zakaria, zanak'i Jonatana, zanak'i Semaia, zanak'i Matania, zanak'i Mikaia, zanak'i Zakora, zanak'i Asafa,

36. mbamin'ny rahalahiny, dia Semaia sy Azarela, Milalay, Gilalay, May, Netanela sy Joda ary Hanany, nitondra ny zava-manenon'i Davida, lehilahin'Andriamanitra; ary Ezra mpanora-dalàna nandeha teo alohan'ireo.

37. Ary hatreo amin'ny vavahadin-doharano dia nizotra izy ka niakatra tamin'ny ambaratongan'ny Tanànan'i Davida, tamin'ny fiakarana amin'ny manda eo ambonin'ny tranon'i Davida ka hatramin'ny vavahadin-drano eo atsinanana.

38. Ary ny mpanao fiderana irai-dia kosa dia nandeha nifanandrify taminy sady narahiko sy ny antsasaky ny olona teo ambonin'ny manda hatreo ambonin'ny tilikambo misy ny fatana fandoroana ka hatramin'ny manda lehibe,

39. ary hatreo ambonin'ny vavahadin'i Efraima ay teo ambanin'ny vavahady taloha ary teo ambonin'ny vavahadin-kazandrano sy ny tilikambo Hananela sy ny tilikambo Hamea, dia hatramin'ny vavahadin'ondry; ary nilanona teo amin'ny vavahadin-trano-maizina izy.

40. Dia nijanona tao an-tranon'Andriamanitra izy roa tonta, ary izaho koa sy ny antsasaky ny mpanapaka izay niaraka tamiko

41. ary ny mpisorona, dia Eliakima, Mahaseia, Miniamina, Mikaia, Elioenay, Zakaria ary Hanania, nitondra trompetra,

42. ary Mahaseia sy Semaia sy Eleazara sy Ozy sy Johanana sy Malkia sy Elama ary Ezera. Ary nihira mafy ny mpihira sy Jizrahia, mpifehy azy.

43. Dia namono zavatra betsaka hatao fanatitra tamin'izany andro izany izy sady nifaly, fa Andriamanitra nampifaly azy indrindra; ary ny vadiny aman-janany nifaly koa; ka dia re lavitra ny fifaliana tany Jerosalema.

44. Ary tamin'izany andro izany dia nisy olona notendrena hitandrina ny efi-trano fitehirizana ny rakitra sy ny fanatitra asandratra sy ny voaloham-bokatra ary ny fahafolon-karena, mba hangonina ao izay anjara voadidy ho an'ny mpisorona sy ny Levita avy amin'ny saha manodidina ny isan-tanana; fa nifalian'ny Joda ireo mpisorona sy Levita izay nanompo ireo.

45. Dia nitandrina izay nasaina hotandremany ny amin'Andriamaniny sy ny amin'ny fanadiovana izy; ary toy izany koa ny mpihira sy ny mpiandry varavarana, araka ny didin'i Davida sy Solomona zanany.

46. Fa fahiny tamin'ny andron'i Davida sy Asafa aza dia efa nisy lohan'ny mpihira sy hira fiderana ary fisaorana an'Andriamanitra.

47. Ary ny Isiraely rehetra tamin'ny andron'i Zerobabela sy Nehemia nanome ny anaran'ny mpihira sy ny mpiandry varavarana, dia ny anjarany isan'andro; ary nanokana izay ho an'ny Levita izy; ary ny Levita kosa nanokana izay ho an'ny taranak'i Arona.

Nehemia 12