Nehemia 12:22-37 Malagasy Bible (MG1865)

22. Tamin'ny andron'i Eliasiba sy Joiada sy Johanana ary Jadoa ny Levita dia voasoratra ho lohan'ny fianakaviany; ary toy izany koa ny mpisorona, hatramin'ny nanjakan'i Dariosy Persiana.

23. Ny taranak'i Levy, lohan'ny fianakaviana, dia voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantara hatramin'ny andron'i Johanana, zanak'i Eliasiba.

24. Ary ny lohan'ny Levita dia Hasabia sy Serebia sy Jesoa, zanak'i Kadmiela, mbamin'ny rahalahin'ireo izay nifanandrify taminy, mba hidera sy hisaotra araka ny didin'i Davida, lehilahin'Andriamanitra, nifanandrify isan-tokony.

25. Matania, Bakbokia, Obadia, Mesolama, Talmona sy Akoba no mpiandry varavarana ka nitandrina ny fiambenana amin'ny trano firaketana.

26. Ireo no tamin'ny andron'i Joiakima, zanak'i Jesoa, zanak'i Jozadaka, sy tamin'ny andron'i Nehemia governora sy Ezra mpisorona sady mpanora-dalàna.

27. Ary rehefa hitokanana ny mandan'i Jerosalema, dia nitady ny Levita avy tamin'ny fonenany rehetra izy mba ho entina any Jerosalema hanao ny fitokanana amin'ny fifaliana sy ny fiderana ary ny hira mbamin'ny kipantsona sy ny valiha ary ny lokanga.

28. Dia niangona ny mpihira avy tamin'ny tany lemaka manodidina an'i Jerosalema sy ny avy tamin'ny vohitry ny Netofatita

29. sy Beti-gilgala ary ny sahan'i Geba sy Azmaveta; fa efa nanao vohitra ho azy manodidina an'i Jerosalema ny mpihira.

30. Ary ny mpisorona sy ny Levita samy nanadio ny tenany, ary nodioviny koa ny olona sy ny vavahady ary ny manda.

31. Dia nasaiko niakatra eo ambonin'ny manda ny mpanapaka ny Joda, ary nanendry mpanao fiderana roa tonta aho handeha milahatra tsara. Ny irai-dia nandeha tamin'ny ankavanana teo ambonin'ny manda ho amin'ny vavahadin-jezika;

32. ary nandeha nanarakaraka azy Hosaia sy ny antsasaky ny andriandahin'ny Joda,

33. dia Azaria sy Ezra sy Mesolama

34. sy Joda sy Benjamina sy Semaia ary Jeremia,

35. ary ny sasany tamin'ny taranaky ny mpisorona nitondra trompetra, dia Zakaria, zanak'i Jonatana, zanak'i Semaia, zanak'i Matania, zanak'i Mikaia, zanak'i Zakora, zanak'i Asafa,

36. mbamin'ny rahalahiny, dia Semaia sy Azarela, Milalay, Gilalay, May, Netanela sy Joda ary Hanany, nitondra ny zava-manenon'i Davida, lehilahin'Andriamanitra; ary Ezra mpanora-dalàna nandeha teo alohan'ireo.

37. Ary hatreo amin'ny vavahadin-doharano dia nizotra izy ka niakatra tamin'ny ambaratongan'ny Tanànan'i Davida, tamin'ny fiakarana amin'ny manda eo ambonin'ny tranon'i Davida ka hatramin'ny vavahadin-drano eo atsinanana.

Nehemia 12