Nehemia 11:8-14 Malagasy Bible (MG1865)

8. ary nanarakaraka azy Gabay sy Salay; dia valo amby roa-polo amby sivinjato.

9. Ary Joela, zanak'i Zikry, no mpifehy azy; ary Joda, zanak'i Senoa, no lefitry ny komandin'ny tanĂ na.

10. Ny avy tamin'ny mpisorona dia Jedaia, zanak'i Joariba, ary Jakina.

11. Ary Seraia, zanak'i Hilkia, zanak'i Mesolama, zanak'i Zadoka, zanak'i Meraiota, zanak'i Ahitoba, no mpanapaka ny tranon'Andriamanitra.

12. Ary ny rahalahin'ireo izay mpanao ny raharaha tao an-trano dia roa amby roa-polo amby valon-jato; ary Adaia, zanak'i Jerohama, zanak'i Pelalia, zanak'i Amzy, zanak'i Zakaria, zanak'i Pasora, zanak'i Malkia,

13. ary ny rahalahiny, izay samy lohan'ny fianakaviana, dia roa amby efa-polo amby roan-jato; ary Amasay, zanak'i Azarela, zanak'i Ahazay, zanak'i Mesilemota, zanak'Imera,

14. mbamin'ny rahalahin'ireo, dia lehilahy mahery valo amby roa-polo amby zato; ary Zabdiela, zanak'i Hagedolima, no mpifehy azy.

Nehemia 11