Nehemia 11:24-31 Malagasy Bible (MG1865)

24. Ary Petahia, zanak'i Mesezabela, isan'ny taranak'i Zera, zanak'i Joda, dia teo anilan'ny mpanjaka hitandrina ny raharaha rehetra ny amin'ny olona.

25. Fa ny amin'ny vohitra eny an-tsaha, dia ny sasany tamin'ny taranak'i Joda no nonina tany Kiriat-arba sy ny zana-bohiny, ary tany Dibona sy ny zana-bohiny, ary tany Jekabzela sy ny zana-bohiny,

26. ary tany Jesoa sy Molada sy Beti-paleta

27. sy Hazarasoala ary Beri-sheba sy ny zana-bohiny,

28. ary tany Ziklaga sy Mekona sy ny zana-bohiny,

29. ary tany En-rimona sy Zora sy Jarmota

30. sy Zanoa sy Adolama sy ny zana-bohiny, sy tany Lakisy sy ny sahany, ary tany Azeka sy ny zana-bohiny. Ary nonina hatram Beri-sheba ka hatramin'ny lohasahan'i Himona izy.

31. Ary ny taranak'i Benjamina kosa no hatrany Geba ka hatrany Mikmasy sy Aia sy Betela sy ny zana-bohiny,

Nehemia 11