Nehemia 10:1-10 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary noho izany rehetra izany dia manao fanekena mafy izahay, ka soratanay izany ary manisy tombo-kase eo aminy ny mpanapaka anay sy ny Levitanay ary ny mpisoronay.

2. Ary ny nanisy tombo-kase dia Nehemia governora, zanak'i Hakalia, sy Zedekia,

3. ary Seraia, Azaria, Jeremia,

4. Pasora, Amaria, Malkia,

5. Hatosy, Sebania, Maloka,

6. Harima, Meremota, Obadia,

7. Daniela, Ginetona, Baroka,

8. Mesolama, Abia, Miamina,

9. Mazia, Bilgay, Semaia; samy mpisorona ireo.

10. Ary ny Levita kosa dia Jesoa, zanak'i Azania, Binoy isan'ny zanak'i Henadada, ary Kadmiela;

Nehemia 10