11. Ary Hebera Kenita efa nisaraka tamin'ny Kenita izay avy amin'ny taranak'i Hobaba, zaodahin'i Mosesy, ary nilasy ambara-pahatongany teo amin'ny hazo terebinta ao Zananima, izay eo anilan'i Kadesy.
12. Ary nisy nilaza tamin'i Sisera fa Baraka, zanak'i Abinoama, niakatra any an-tendrombohitra Tabara.
13. Dia nangonin'i Sisera ny kalesiny rehetra, dia kalesy vy sivin-jato, sy ny vahoaka rehetra izay niaraka taminy avy tany Harosetan'ny Jentilisa, hankany amin'ny ony Kisona.
14. Ary hoy Debora tamin'i Baraka: Miakara, fa anio no andro hanoloran'i Jehovah an'i Sisera eo an-tananao; tsy mivoaka eo anoloanao va Jehovah? Dia nidina Baraka sy ny olona iray alina nanaraka azy, avy tany an-tendrombohitra Tabara.
15. Dia nampifanaritahin'i Jehovah tamin'ny lelan-tsabatra Sisera teo anoloan'i Baraka sy ny kalesy rehetra ary ny miaramila rehetra; dia nidina niala tamin'ny kalesy Sisera ka nandositra nandeha tongotra.
16. Ary Baraka nanenjika nanaraka ny kalesy sy ny miaramila hatrany Haroseta; dia lavon'ny lelan-tsabatra avokoa ny miaramilan'i Sisera rehetra; tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
17. Ary Sisera nandositra nandeha tongotra ho any amin'ny lain'i Jaela, vadin'i Hebera Kenita; fa nihavana Jabina, mpanjakan'i Hazora, sy ny mpianakavin'i Hebera Kenita.
18. Dia nivoaka Jaela hitsena an'i Sisera ka nanao taminy hoe: Miakara, tompokolahy, miakara atỳ amiko; aza matahotra. Ary rehefa niakatra ho ao aminy ao an-day izy, dia norakofany ny lamba firakotra.
19. Ary hoy Sisera taminy: Masìna ianao, omeo rano kely hosotroiko, fa mangetaheta aho izany. Dia nanokatra ny siny hoditra nisy ronono izy ka nomeny hosotroiny; ary dia norakofany indray izy.
20. Dia hoy izy taminy: Mitsangàna eo am-baravaran'ny lay, ka raha tàhiny misy avy ka manontany anao hoe: Misy olona va ato? dia ataovy hoe: Tsia.
21. Dia naka tsima-day Jaela, vadin'i Hebera, sady nitondra tantanana teny an-tànany ka nitsaitsaika nankeo aminy; dia natsatony tamin'ny fihirifany ny tsima-day, ka nihatra tamin'ny tany fa efa renoky ny torimaso Sisera, satria sasatra ka dia maty izy.