2. Ary ny loholona rehetra tamin'ny firenen'Isiraely niseho teo amin'ny fiangonan'ny olon'Andriamanitra, dia lehilahy efatra hetsy mandeha tongotra sady mahatan-tsabatra.
3. Ary ren'ny taranak'i Benjamina fa niakatra ho any Mizpa ny Zanak'Isiraely. Dia hoy ny Zanak'Isiraely: Lazao izay nahatonga izao ratsy izao.
4. Dia namaly ilay Levita, vadin-dravehivavy novonoina, ka nanao hoe: Tonga tany Gibea, izay an'ny Benjamita, izaho sy ny vaditsindranoko handry tao.
5. Dia nitsangana hamely ahy ny mponina tao Gibea ka nanodidina ny trano hamely ahy tamin'ny alina; izaho saiky novonoiny, ary ny vaditsindranoko nandriany ka matiny.
6. Dia nalaiko ny vaditsindranoko ka norasaiko ary nampitondraiko tany amin'ny tany rehetra izay lovan'ny Isiraely, satria efa nanao fahavetavetana sy zavatra fady indrindra teo amin'ny Isiraely ireo.
7. Koa indreto ianareo Zanak'Isiraely rehetra, mba alaharo izay teny sy hevitrareo.