Mpitsara 14:8-13 Malagasy Bible (MG1865)

8. Ary rehefa afaka kelikely, dia niverina hampakatra azy Samsona ka nivily hizaha ny fatin'ilay liona; ary, indro, nisy reni-tantely nivangongo sy tantely tao amin'ilay fatin'ny liona.

9. Ary nalain'i Samsona izany ka nentiny teny an-tànany, dia nihinana teny am-pandehanana izy; ary nankany amin'ny rainy aman-dreniny izy, dia nanome azy, ka nihinana koa izy mivady; nefa tsy nambarany taminy fa tao amin'ny fatin'ilay liona no nangalany ny tantely.

10. Dia nidina ho any amin-dravehivavy ny rain'i Samsona; ary nanao fanasana teo Samsona, fa izany no fanaon'ny zatovo.

11. Ary rehefa nahita azy izy mianakavy, dia nametraka namana telo-polo lahy hitoetra ao aminy.

12. Ary hoy Samsona tamin'ireo: Hanao fampanonona aminareo aho; koa raha lazainareo amiko ny heviny ao anatin'ny hafitoana fanasana ka fantatrareo, dia homeko lobaka telo-polo sy akanjo intelo-polo miova ianareo.

13. Fa raha tsy mahalaza amiko kosa ianareo, dia homenareo lobaka telo-polo sy akanjo intelo-polo miova aho. Dia hoy izy ireo: Ataovy ary ny fampanonona mba hohenoinay.

Mpitsara 14