Mpitsara 12:8-12 Malagasy Bible (MG1865)

8. Ary Ibzana, avy any Betlehema, no nitsara ny Isiraely nandimby an'i Jefta.

9. Ary izy nanana zanakalahy telo-polo sy zanakavavy telo-polo, izay nampanambadiny tany ivelany, ary zazavavy telo-polo kosa no nampidiriny ho an'ny zananilahy. Ary nitsara ny Isiraely fito taona izy.

10. Dia maty Ibzana ka nalevina tany Betlehema.

11. Ary Elona Zebolonita no nitsara ny Isiraely nandimby azy; ary nitsara ny Isiraely folo taona izy.

12. Dia maty Elona Zebolonita ka nalevina tany Aialona ao amin'ny tanin'ny Zebolona.

Mpitsara 12