8. Ary namely an'i Jerosalema ny taranak'i Joda, ka nahafaka azy, dia namely azy tamin'ny lelan-tsabatra ka nandoro ny tanĂ na.
9. Ary rehefa afaka izany, dia nidina ny taranak'i Joda hiady amin'ny Kananita izay nonina tany amin'ny tany havoana sy tany amin'ny tany atsimo ary tany amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka.
10. Dia nandeha Joda hiady amin'ny Kananita, izay nonina tany Hebrona (Kiriat-arba no anaran'i Hebrona taloha), ka namono an'i Sesay sy Ahimana ary Talmay.
11. Dia niala tao izy ka nandeha hiady amin'ny mponina any Debira (Kiriata-sefera no anaran'i Debira taloha).
12. Ary hoy Kaleba: Izay mamely an'i Kiriata-sefera ka mahafaka azy dia homeko azy Aksa zanako-vavy ho vadiny.
13. Ary Otniela, zanakalahin'i Kenaza, zandrin'i Kaleba, no nahafaka azy; ka dia nomeny azy Aksa zananivavy ho vadiny.
14. Ary rehefa voampakatra ravehivavy, dia nanome vava ny lahy hangataka saha tamin-drainy; dia niala faingana tamin'ny borikiny izy, ka hoy Kaleba taminy: Inona moa no ilainao?
15. Ary hoy izy: Omeo tso-drano aho; fa tany tsy misy rano no nomenao ahy ka mba omeo loharano koa aho. Dia nomen'i Kaleba azy ny loharano ambony sy ny loharano ambany.