Mpitoriteny 7:16-21 Malagasy Bible (MG1865)

16. Aza marina loatra, ary aza miseho ho hendry loatra; nahoana noho simbanao ny tenanao?

17. Aza ratsy loatra ianao, ary aza adala; nahoana no ho faty ianao, raha tsy efa tonga ny andronao?

18. Tsara raha mitana iroa ianao, nefa aza mampiala ny tananao amin'itsy; fa izay matahotra an'Andriamanitra dia ho afaka amin'izany rehetra izany.

19. Ny fahendrena no maharo ny hendry mihoatra noho ny mpanapaka folo ao an-tanĂ na.

20. Fa tsy misy olona marina ambonin'ny tany izay manao tsara ka tsy manota.

21. Aza mihainohaino ny teny rehetra tenenina, fandrao handre ny mpanomponao manozona anao ianao;

Mpitoriteny 7