7. Raha hitanao ny fampahoriana ny malahelo sy ny famadihana ny fitsarana sy ny rariny amin'ny tany, dia aza gaga amin'izany; fa misy ambony kokoa mibanjina ny ambony, ary mbola misy ambony noho ireo indray aza.
8. Fa na dia izany rehetra izany aza, dia mahasoa ny tany ny fisian'ny mpanjaka amin'izay tany volena.
9. Izay tia vola tsy hety ho voky vola; ary izay fatra-pitia harena be tsy hety ho vokin'ny fitomboan-karena; fa zava-poana koa izany.
10. Raha mitombo ny fananana, dia mitombo koa ny mpihinana azy; ary inona no soa azon'ny tompony, afa-tsy ny mijery maso azy fotsiny ihany?
11. Mamy ny torimason'ny mpiasa, na homan-kely na homam-be izy; fa ny haben'ny ananan'ny manan-karena kosa no tsy ahitany tory.
12. Misy ratsy mahory efa hitako atỳ ambanin'ny masoandro, dia harena tehirizin'ny tompony, nefa mampidi-doza amin'ny tenany;
13. sady levona izany harena izany noho ny loza manjo; ary miteraka zazalahy ralehilahy nefa tsy misy na inona na inona eny an-tànany,
14. Toy ny nivoahany mitanjaka avy tany an-kibon-dreniny, dia toy izay nihaviany ihany no hiverenany; ary tsy hisy na inona na inona ho entin'ny tànany ho valin'ny fisasarany.
15. Dia ratsy mahory koa izany, fa toy izay nihaviany indrindra no handehanany; ary inona no soa azony noho ny nisasarany ho an'ny rivotra?