Mpitoriteny 4:9-14 Malagasy Bible (MG1865)

9. Tsara ny roa noho ny iray; fa misy valiny tsara ny fisasarany.

10. Raha misy lavo izy, dia arenin'ny namany; fa mahantra ny lavo izay tsy manana namana hanarina azy.

11. Ary koa, raha miara-mandry ny roa, dia mafana izy; fa hatao ahoana no hampahafana ny irery?

12. Raha misy maharesy ny irery aza, ny roa tsy ho leony tsy akory; ary ny mahazaka telo olana tsy mora tapahina.

13. Aleo zatovo malahelo hendry toy izay mpanjaka antitra adala ka tsy laitra anarina intsony;

14. fa avy ao an-tranomaizina no nivoahany hanjaka, na dia nateraka tamin'alahelo tamin'ny fanjakany aza izy.

Mpitoriteny 4