Mpitoriteny 4:10-16 Malagasy Bible (MG1865)

10. Raha misy lavo izy, dia arenin'ny namany; fa mahantra ny lavo izay tsy manana namana hanarina azy.

11. Ary koa, raha miara-mandry ny roa, dia mafana izy; fa hatao ahoana no hampahafana ny irery?

12. Raha misy maharesy ny irery aza, ny roa tsy ho leony tsy akory; ary ny mahazaka telo olana tsy mora tapahina.

13. Aleo zatovo malahelo hendry toy izay mpanjaka antitra adala ka tsy laitra anarina intsony;

14. fa avy ao an-tranomaizina no nivoahany hanjaka, na dia nateraka tamin'alahelo tamin'ny fanjakany aza izy.

15. Hitako ny miaina rehetra izay miriaria atỳ ambanin'ny masoandro manotrona ilay zazalahy dia ilay faharoa izay mitsangana handimby ny teo.

16. Tsy hita isa ny olona rehetra, dia izay rehetra anjakany; nefa izay any aoriana tsy mba hifaly aminy; fa zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany. Tandremo ny tongotrao, raha mankao an-tranon'Andriamanitra ianao; fa ny manatona hihaino no tsara noho ny fanateran'ny adala fanatitra; fa tsy fantatr'ireny ho manao ratsy izy.

Mpitoriteny 4