Mpitoriteny 2:20-24 Malagasy Bible (MG1865)

20. Dia nitodika aho hampamoy ny foko amin'ny fahakiviana ny amin'ny fisasarana rehetra izay nisasarako tatỳ ambanin'ny masoandro.

21. Fa misy olona izay misasatra amin'ny fahendrena sy ny fahalalana ary ny fahaizana, nefa ny olona izay tsy nisasatra tamin'izany akory no tsy maintsy hamelany azy ho lovany. Zava-poana sy faharatsiana lehibe koa izany.

22. Fa inona no azon'ny olona amin'ny fisasarany rehetra sy amin'ny fikatsahan'ny fony, izay nisasarany tatỳ ambanin'ny masoandro?

23. Fa ny androny rehetra dia fanaintainana avokoa, ary ny fisasarany dia fahasorisorena; eny, na dia amin'ny alina aza dia tsy manam-pitsaharana ny fony. Zava-poana koa izany.

24. Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana sy misotro ary ny mampahafinaritra ny tenany amin'ny fisasarany. Izany koa aza dia efa hitako fa avy amin'ny tànan'Andriamanitra

Mpitoriteny 2