1. Ny fatin-dalitra mahamaimbo sy mampamorivory ny menaky ny mpangaroharo zava-manitra; ary toy izany, ny fahadalana kely dia mavesatra noho ny fahendrena sy ny voninahitra.
2. Ny fon'ny hendry dia eo ankavanany; fa ny fon'ny adala kosa dia eo ankaviany.
3. Ary koa, raha mandeha eny an-dalambe ny adala, dia levona ny fahalalany, ka milaza tena amin'ny olona rehetra izy fa adala.
4. Raha tezeran'ny mpanapaka ianao, aza miala amin'ny fitoeranao; fa ny fahatsindriam-po mahasakana ny fahadisoana lehibe.
5. Misy ratsy efa hitako atỳ ambanin'ny masoandro, ka toa fahadisoana ataon'ny mpanapaka izany;
6. Asandratra ho ambony indrindra ny adala, ary ny mpanankarena mipetraka eo amin'ny toerana ambany.
7. Efa hitako ny mpanompo mitaingin-tsoavaly, ary ny mpanapaka kosa mandeha an-tongotra toy ny mpanompo.
8. Izay mihady lavaka no ho latsaka ao, ary izay mandrava fefy vato no hokekerin'ny menarana.
9. Izay manovoka vato dia haratrany, ary izay mamaky hazo no ho voany.
10. Raha dombo ny antsy ka tsy asainy, dia tsy maintsy manao an-teninaina izy; fa ny fahendrena no mahasoa, satria mahalavorary ny raharaha izany.