8. Aza mifaly ahy, ry fahavaloko, Fa na dia lavo aza aho, mbola hiarina ihany; Raha mitoetra ao amin'ny maizina aho, Dia Jehovah no fahazavana ho ahy.
9. Ny fahatezeran'i Jehovah dia hiaretako ihany, Fa efa nanota taminy aho, Ambara-pandahany ny teniko Sy hanomezany rariny ho ahy; Hamoaka ahy ho amin'ny mazava Izy, Ka ho faly aho mahita ny fahamarinany.
10. Dia hahita izany ilay fahavaloko ka hosaronan-kenatra, Dia ilay nanao tamiko hoe: Aiza Izay Jehovah Andriamanitrao? Ho faly mahita azy ny masoko; Ankehitriny dia ho fanitsakitsaka toy ny fotaka eny an-dalambe izy.
11. He ny andro hananganana ny mandanao! Amin'izany andro izany dia hitarina ny faritra.
12. Amin'izany andro izany koa dia hanatona anao ny olona Avy any Asyria sy avy any amin'ny tanĂ nan'i Egypta, Eny, hatrany Egypta ka hatramin'ny Ony, Ary hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina, Ary hatramin'ny tendrombohitra ka hatramin'ny tendrombohitra.
13. Nefa ho lao ny tany noho ny amin'ny mponina eo aminy, Dia noho ny vokatry ny asany.
14. Ny tehinao no ento miandry ny olonao, Dia ny ondry lovanao, Izay monina mitokana, dia any an'ala ao an-tampon'i Karmela; Aoka handrasana any Basana sy Gileada ireny Toy ny tamin'ny andro taloha ela.
15. Toy ny tamin'ny andro nivoahanao avy tany amin'ny tany Egypta No hanehoako azy zava-mahagaga.
16. Hahita izany ny jentilisa, Ka hahamenatra azy ny heriny rehetra; Hitampim-bava izy, Ho tonga marenina ny sofiny.
17. Hilelaka ny vovoka toy ny menarana izy; Hiala amin-kovitra avy ao amin'ny fiarovany mafy tahaka ny biby mikisaka amin'ny tany izy; Jehovah Andriamanitsika dia hohatoniny amin-kovitra, Eny, hatahotra Anao izy.
18. Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Izay mamela heloka Sady mandalo ny fahadisoan'ny sisa amin'ny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, Fa tia famindram-po.
19. Hamindra fo amintsika indray Izy Ka hanitsakitsaka ny fahotantsika, Eny, harianao ho any amin'ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra.
20. Hanefa fahamarinana ho an'i Jakoba Hianao Sy famindram-po ho an'i Abrahama, Dia ilay nianiananao tamin'ny razanay hatramin'ny andro taloha ela.