Mika 6:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Masìna ianareo, mihainoa izay lazain'i Jehovah: Mitsangàna, mandahara eo anoloan'ny tendrombohitra, Ary aoka ho ren'ny havoana ny feonao.

2. Mihainoa ny adin'i Jehovah ianareo, ry tendrombohitra, Sy ianareo, ry fanorena-matezan'ny tany; Fa Jehovah manana ady amin'ny olony, Eny, amin'ny Isiraely no ifandaharany.

3. Ry oloko, inona no nataoko taminao? Inona no nanasarako anao? Tondroy maso ary Aho.

4. Fa nentiko niakatra avy tany amin'ny tany Egypta ianao Sady navotako avy tao amin'ny trano nahandevozana: Dia nirahiko hitarika anao Mosesy sy Arona ary Miriama.

5. Ry oloko, mba tsarovy ny saina nataon'i Balaka, mpanjakan'i Moaba, Sy izay navalin'i Balama, zanak'i Beora, azy, Ary izay natao hatrany Sitima ka hatrany Gilgala, Hahafantaranareo ny asa marina nataon'i Jehovah.

6. Inona no ho entiko manatona an'i Jehovah Sy miondrika eo anatrehan'Andriamanitra Izay any amin'ny avo? Hanatona Azy mitondra fanatitra dorana Sy ny ombilahy kely iray taona va aho?

7. Ho sitrak'i Jehovah va ny ondrilahy arivoarivo, Na renirano diloilo iray alina? Hanolotra ny lahimatoako noho ny fahadisoako va aho, Na ny ateraky ny kiboko noho ny fahotan'ny fanahiko?

Mika 6