Mika 1:6-16 Malagasy Bible (MG1865)

6. Koa Samaria dia hataoko korontam-bato any an-tsaha Sy tany fambolem-boaloboka; Ary hakorotsako ho any an-dohasaha ny vatony, Ka haharihariko ny fanorenany.

7. Hotorotoroina ny sampiny voasokitra rehetra, Ary hodorana amin'ny afo ny tanginy rehetra, Sady hofoanako ny sampiny rehetra; Tangin'ny vehivavy janga no nanangonany ireny, Ary hody ho tangin'ny vehivavy janga indray izy.

8. Koa izany no hitomaniako sy hidradradradrako, Ka handeha sady horobaina no mitanjaka aho; Hikaonkaona toy ny amboadia aho Ary hikiakiaka toy ny ostritsa.

9. Fa tsy azo sitranina ny ferin'i Samaria; Fa mihatra amin'i Joda izany, Ary mahatratra ny vavahadin'ny oloko aza, dia any Jerosalema.

10. Aza ambaranareo any Gata izany, Aza mitomany akory! Mihosinkosina vovoka ao Beti-le-afra aho.

11. Mandehana mitanjaka mitondra henatra, ry mponina ao Safira; Tsy mivoaka ny mponina ao Zanana; Ny fisaonan'i Beti-haezela no misakana anareo tsy hijanona ao.

12. Fa malahelo ny soa ny mponina ao Marota, Satria loza no efa nidina avy tamin'i Jehovah ho ao am-bavahadin'i Jerosalema.

13. Fehezo amin'ny soavaly haingam-pandeha ny kalesy, ry mponina ao Lakisy; Niandohan'ny fahotan'i Ziona zanakavavy iny, Fa tao aminao no nahitana ny fahadisoan'Isiraely.

14. Koa izany no hanomezanao taratasy fisaorana ho an'i Moresetagata; Ranotrambo ho an'ny mpanjakan'ny Isiraely ireo tranon'i Akziba.

15. Mbola hitondrako olon-kandova ianao. Ry mponina ao Maresa; Ho tonga hatrany Adolama aza ny voninahitr'Isiraely.

16. Miheteza sy mikakasa Noho ny zanakao nahafinaritra; Halehibiazo ny solanao ho toy ny an'ny voltora, Fa lasan-ko babo niala taminao izy.

Mika 1