20. Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra manamitrano na mangalatra.
21. Fa izay itoeran'ny harenao, dia ho any koa ny fonao.
22. Ny maso no jiron'ny tena; koa amin'izany, raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra.
23. Fa raha ratsy ny masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra; koa raha maizina ny fahazavana ao anatinao, manao ahoana ny halehiben'izany fahamaizinana izany!