Matio 5:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany.

2. Dia niloa-bava Izy ka nampianatra azy hoe:

3. Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan'ny lanitra.

4. Sambatra ny ory; fa izy no hampifalina.

5. Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany (Sal. 37. 11).

6. Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana.

7. Sambatra ny miantra; fa izy no hiantrana.

Matio 5