Matio 4:7-24 Malagasy Bible (MG1865)

7. Hoy Jesosy taminy: Voasoratra hoe koa: Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao (Deo. 6. 16).

8. Ary ny devoly nitondra Azy Indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao mbamin'ny voninahiny,

9. dia nanao taminy hoe: Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Hianao.

10. Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ry Satana: fa voasoratra hoe; Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao (Deo. 6. 13).

11. Dia nandao Azy ny devoly, ary indreo, nisy anjely tonga ka nanompo Azy.

12. Ary nony ren'i Jesosy fa efa voasambotra Jaona, dia lasa nankany Galilia Izy.

13. Ary nony niala tany Nazareta Izy, dia nankany Kapernaomy, izay ao amoron-dranomasina, ao amin'ny zara-tanin'ny Zebolona sy ny Naftaly, ka nonina tao Izy,

14. mba hahatanteraka izay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe:

15. Ny tanin'ny Zebolona sy ny tanin'ny Naftaly, Ao amin'ny tany amoron-dranomasina, any an-dafin'i Jordana, Galilia, tanin'ny jentilisa,

16. Ny olona izay nitoetra tao amin'ny maizina dia nahita mazava lehibe; Ary izay nitoetra tao amin'ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan'ny fahazavana (Isa. 8. 23; 9. 1).

17. Ary tamin'izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.

18. Ary nony nitsangantsangana teny amoron'ny Ranomasin'i Galilia Jesosy, dia nahita olona mirahalahy, dia Simona, izay atao hoe Petera, sy Andrea rahalahiny, nanarato teny amin'ny ranomasina; fa mpanarato izy.

19. Dia hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.

20. Dia nandao ny harato niaraka tamin'izay izy ka nanaraka Azy.

21. Ary raha mbola nandroso Izy, dia nahita olona mirahalahy hafa koa, dia Jakoba zanak'i Zebedio, sy Jaona rahalahiny, izay niara-nipetraka tamin'i Zebedio rainy teo an-tsambokely ka namboatra ny haratony; ary niantso azy mirahalahy Izy.

22. Dia nandao ny sambokely sy ny rainy niaraka tamin'izay izy ka nanaraka Azy.

23. Ary Jesosy nandeha eran'i Galilia ka nampianatra tao amin'ny synagogan'ny olona teo sy nitory ny filazantsaran'ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra tamin'ny olona.

24. Ary niely eran'i Syria ny lazany, ka dia nentin'ny olona tany aminy ny marary rehetra, izay azon'ny aretina maro samy hafa sy ny fangirifiriana, dia ny demoniaka sy izay mararin'ny androbe ary ny mararin'ny paralysisa, ka nahasitrana ireny Izy.

Matio 4