Matio 27:47-57 Malagasy Bible (MG1865)

47. Ary ny sasany tamin'izay nijanona teo, raha nandre izany, dia nanao hoe: Miantso an'i Elia Ilehio.

48. Ary niaraka tamin'izay ny anankiray teo aminy dia nihazakazaha ka nandray sipaonjy, ary rehefa natsobony tamin'ny vinaingitra izany ka notohiziny tamin'ny volotara, dia natohony hotsentsefin'i Jesosy.

49. Fa ny sasany kosa nanao hoe: Aoka hoe hizahantsika na ho avy hamonjy Azy Elia, na tsia.

50. Ary rehefa niantso tamin'ny feo mahery indray Jesosy, dia nanolotra ny fanahiny.

51. Ary, indro, ny efitra lamba tao amin'ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany; dia nihorohoro ny tany, ka nitresaka ny vatolampy;

52. ary nisokatra ny fasana, ka maro ny fatin'ny olona masina izay efa nodi-mandry no natsangana,

53. ka nivoaka avy tao amin'ny fasana ireo taorian'ny nitsanganan'i Jesosy, dia nankao amin'ny TanĂ na Masina ka niseho tamin'ny maro.

54. Ary ny kapiteny sy ny fehiny, izay niambina an'i Jesosy, raha nahita ny horohorontany mbamin'izay zavatra tonga teo, dia raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Marina tokoa fa Zanak'Andriamanitra io Lehilahy io.

55. Ary nisy vehivavy maro nitsinjo teny lavitra eny, izay nanaraka an'i Jesosy hatrany Galilia ka nanompo Azy.

56. Isan'ireny Maria Magdalena sy Maria, renin'i Jakoba sy Josesy, ary ny renin'ny zanak'i Zebedio.

57. Ary nony hariva ny andro, dia avy ny lehilahy manan-karena anankiray, avy any Arimatia, ny anarany atao hoe Josefa, ary izy koa dia mpianatr'i Jesosy.

Matio 27