Matio 27:39-44 Malagasy Bible (MG1865)

39. Ary izay nandalo dia niteny ratsy Azy, sady nihifikifi-doha

40. ka nanao hoe: Ry Ilay mandrava ny tempoly sy manangana azy amin'ny hateloana, vonjeo ny tenanao. Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, midina hiala amin'ny hazo fijaliana.

41. Ary dia naneso toy izany koa ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny mpanora-dalàna sy ny loholona ka nanao hoe:

42. Ny sasany novonjeny; fa ny tenany tsy hainy vonjena. Mpanjakan'ny Isiraely Izy, aoka hidina hiala amin'ny hazo fijaliana Izy ankehitriny, dia hino Azy izahay;

43. natoky an'Andriamanitra Izy, aoka Izy hamonjy Azy ankehitriny, raha ankasitrahany Izy (Sal. 22. 8), satria hoy Izy: Zanak'Andriamanitra Aho.

44. Ary nandatsa Azy toy izany koa ireo jiolahy niaraka nohomboana taminy tamin'ny hazo fijaliana.

Matio 27