39. Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.
40. Ary nankeo amin'ny mpianatra Izy ka nahita azy matory, dia hoy Izy tamin'i Petera: Hay! tsy mahazaka ny miara-miari-tory amiko na dia ora iray ihany aza ianareo!
41. Miareta tory sy mivavaha ianareo, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.
42. Dia nandeha fanindroany Izy ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha tsy azo esorina ity, fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka ny sitraponao no hatao.
43. Ary nony tonga Izy, dia nahita azy matory indray; fa efa nilondolondo ny masony.
44. Ary rehefa nandao azy Izy ka lasa indray, dia nivavaka fanintelony ka nanao izany teny izany ihany.
45. Dia nankeo amin'ny mpianatra Izy ka nanao taminy hoe: Matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra ianareo; indro, efa akaiky ny ora, ary ny Zanak'olona hatolotra eo an-tànan'ny mpanota.
46. Mitsangàna, andeha isika; indro fa efa akaiky ilay mamadika Ahy.
47. Ary raha mbola niteny Jesosy, indro, avy Jodasy, izay isan'ny roa ambin'ny folo lahy, mbamin'ny vahoaka betsaka niaraka taminy, nitondra sabatra sy langilangy, nirahin'ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona.
48. Ary ilay namadika Azy nanome famantarana ny olona ka nanao hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy.
49. Ary niaraka tamin'izay dia nanatona an'i Jesosy izy ka nanao hoe: Finaritra, Raby! dia nanoroka Azy.
50. Fa hoy Jesosy taminy: Ry sakaiza, ataovy izay nalehanao eto. Dia nanatona ny olona ka nisambotra an'i Jesosy ary nitana Azy.
51. Ary, indro, ny anankiray tamin'izay nomba an'i Jesosy naninjitra ny tànany, dia nanatsoaka ny sabany ka nikapa ny mpanompon'ny mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny.
52. Fa hoy Jesosy taminy: Ampidiro amin'ny tranony ny sabatrao; fa izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin'ny sabatra.
53. Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin'ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin'ny folo legiona ho etỳ amiko Izy ankehitriny?
54. Raha izany, dia hatao ahoana no hahatanteraka ny Soratra Masina, izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izany?
55. Ary tamin'izany ora izany dia niteny tamin'ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo? Isan'andro dia nipetraka nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly Aho, nefa tsy nisambotra Ahy ianareo.
56. Fa izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay voasoratry ny mpaminany. Ary tamin'izany dia nandao Azy ny mpianatra rehetra ka nandositra.
57. Ary izay efa nisambotra an'i Jesosy dia nitondra Azy ho any amin'i Kaiafa mpisoronabe, izay nivorian'ny mpanora-dalàna sy ny loholona.
58. Ary Petera nanaraka Azy teny lavidavitra eny hatrany amin'ny kianjan'ny tranon'ny mpisoronabe; ary niditra izy, dia niara-nipetraka tao amin'ny mpiandry raharaha mba hahita izay hiafarany.
59. Ary ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny Synedriona rehetra nitady teny ho entiny hiampanga lainga an'i Jesosy mba hamonoany Azy;