Matio 23:36-39 Malagasy Bible (MG1865)

36. Lazaiko aminareo marina tokoa: Hanody ity taranaka ity izany rehetra izany.

37. Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina ho aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao, tahaka ny fanomban'ny akoho ny zanany ao ambanin'ny elany, fa tsy nety ianareo!

38. Indro, avela ho lao ho anareo ny tranonareo.

39. Fa lazaiko aminareo: Hatramin'izao dia tsy hahita Ahy tokoa ianareo mandra-pilazanareo hoe: Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah.

Matio 23