Matio 20:9-21 Malagasy Bible (MG1865)

9. Ary rehefa tonga ireo nokaramaina tamin'ny ora fahiraika ambin'ny folo, dia nahazo denaria misesy avy izy.

10. Fa rehefa tonga ireo voalohany, dia nanantena hahazo mihoatra izy; kanjo samy denaria misesy avy ihany no azony.

11. Ary rehefa nahazo izany izy, dia nimonomonona tamin'ny tompon-trano ka nanao hoe:

12. Ireo olona farany ireo dia niasa ora iray monja, kanefa nataonao mitovy aminay, izay niaritra ny fahatrotrahana sy ny hainandro.

13. Fa izy namaly ka nanao tamin'ny anankiray amin'ireny hoe: Ry sakaiza, tsy mba manao izay tsy marina aminao aho; tsy efa denaria va no nifanekenao tamiko?

14. Raiso ny anao, ka mandehana; fa ilay farany dia tiako homena toraka ny anao koa.

15. Tsy mahazo manao izay tiako amin'ny ahy va aho? Ratsy va ny masonao, satria tsara aho?

16. Dia toy izany, ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany.

17. Ary Jesosy, nony niakatra ho any Jerosalema, dia naka mangingina ny mpianatra roa ambin'ny folo lahy ka niteny taminy teny an-dalana hoe:

18. Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak'olona hatolotra ho amin'ireo lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, dia hohelohiny ho faty Izy

19. ka hatolony amin'ny jentilisa mba hataony ho fihomehezana sy hokapohiny sy hohomboany amin'ny hazo fijaliana; ary amin'ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy.

20. Ary tamin'izany dia nanatona an'i Jesosy ny renin'ny zanak'i Zebedio mbamin'ny zananilahy, dia niankohoka ka nangataka zavatra taminy.

21. Ary hoy Izy taminy: Inona no irinao? Dia hoy ravehivavy taminy: Mandidia mba hipetrahan'ireto zanako roa lahy ireto, ny anankiray ho eo amin'ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin'ny ankavianao, ao amin'ny fanjakanao.

Matio 20