13. Ary tamin'izany dia nisy zazakely nentina teo amin'i Jesosy mba hametrahany ny tànany sy hivavahany ho azy; fa ny mpianany niteny mafy ireny.
14. Nefa Jesosy kosa nanao hoe: Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy; fa an'ny toa azy ny fanjakan'ny lanitra.
15. Ary nony nametraka ny tànany taminy Izy, dia niala teo.
16. Ary, indro, nisy anankiray nanatona Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, inona no tsara hataoko hahazoako fiainana mandrakizay?
17. Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin'izay tsara? Iray no tsara; fa raha te-hiditra any amin'ny fiainana ianao, tandremo ny didy.
18. Hoy ralehilahy taminy: Inona avy moa? Dia hoy Jesosy: Ny hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga,
19. Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20:12-16), ary: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19:18).
20. Hoy ilay zatovo taminy: Izany rehetra izany efa voatandriko avokoa; fa inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?
21. Dia hoy Jesosy taminy: Raha tia ho tanteraka ianao, mandehana, amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy.
22. Fa nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia niala tamin'alahelo izy, satria nanana fananana be.