5. Raha mbola niteny izy, indro, nisy rahona mazava nanarona azy ireo; ary, injao, nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy.
6. Ary nony nandre izany ny mpianatra, dia lavo niankohoka sady natahotra indrindra.
7. Ary Jesosy nankeo aminy, dia nanendry azy ka nanao hoe; Mitsangàna, fa aza matahotra.
8. Ary nony niandrandra izy ireo, dia tsy nahita olona, afa-tsy Jesosy irery ihany.
9. Ary rehefa nidina avy tao an-tendrombohitra izy, dia nandrara azy Jesosy ka nanao hoe: Aza milaza amin'olona ny fahitana, mandra-pitsangan'ny Zanak'olona amin'ny maty.
10. Ary ny mpianany nanontany Azy ka nanao hoe: Nahoana ary no ilazan'ny mpanora-dalàna fa Elia tsy maintsy ho avy aloha?
11. Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Elia dia avy ihany ka hampody ny zavatra rehetra.
12. Nefa lazaiko aminareo: Efa tonga sahady Elia; nefa ny olona tsy nahafantatra azy, fa nanao izay sitraky ny fony taminy. Dia tahaka izany koa no hampiaretany ny Zanak'olona.
13. Dia fantatry ny mpianatra fa Jaona Mpanao-batisa no nolazainy taminy.
14. Ary rehefa tonga teo amin'ny vahoaka izy ireo, nisy lehilahy anankiray nanatona an'i Jesosy, dia nandohalika teo anatrehany ka nanao hoe:
15. Tompoko, mamindrà fo amin'ny zanako-lahy, fa mararin'ny androbe izy ka mahantra tokoa; fa matetika izy no mianjera ao amin'ny afo, ary matetika ao amin'ny rano.
16. Ary nitondra azy tamin'ny mpianatrao aho, fa tsy nahay nahasitrana azy izy.
17. Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Ry taranaka tsy mino sady efa nivadika, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atỳ amiko izy.
18. Ary niteny mafy azy Jesosy, dia nivoaka taminy ny demonia, ka sitrana ilay zazalahy tamin'izay ora izay.