33. Fa hoy ny mpianatra taminy: Aiza no hahitanay mofo atỳ an-efitra ampy hahavoky izao vahoaka betsaka izao!
34. Ary hoy Jesosy taminy: Misy mofo firy any aminareo? Ary hoy izy: Fito sy hazandrano madinika vitsy foana.
35. Ary Izy nandidy ny vahoaka betsaka hipetraka amin'ny tany.
36. Dia nandray ny mofo fito mbamin'ny hazandrano Izy, ary rehefa nisaotra, dia namaky ka nanolotra azy ho an'ny mpianatra, ary ny mpianatra kosa nanolotra ho an'ny vahoaka.