Matio 15:23-27 Malagasy Bible (MG1865)

23. Fa Izy tsy namaly teny azy. dia nanatona ny mpianany ka nangataka taminy nanao hoe: Roahy izy, fa miantso mafy ato aoriantsika.

24. Ary Izy namaly ka nanao hoe: Tsy nirahina Aho afa-tsy ho amin'ny ondry very amin'ny taranak'isiraely.

25. Fa nanatona ihany ravehivavy, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Tompoko รด, vonjeo aho.

26. Fa Izy namaly ka nanao hoe: Tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an'ny amboakely.

27. Fa hoy ravehivavy: Marina izany, Tompoko; fa na dia ny amboakely aza mba mihinana izay sombintsombiny latsaka avy amin'ny latabatry ny tompony ihany.

Matio 15