Matio 15:22-32 Malagasy Bible (MG1865)

22. Ary, indro, nisy vehivavy Kananita anankiray nivoaka avy tamin'izany tany izany ka niantso nanao hoe: Mamindrà fo amiko, Tompoko, Zanak'i Davida ô! ny zanako-vavy ampahorin'ny demonia loatra.

23. Fa Izy tsy namaly teny azy. dia nanatona ny mpianany ka nangataka taminy nanao hoe: Roahy izy, fa miantso mafy ato aoriantsika.

24. Ary Izy namaly ka nanao hoe: Tsy nirahina Aho afa-tsy ho amin'ny ondry very amin'ny taranak'isiraely.

25. Fa nanatona ihany ravehivavy, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Tompoko ô, vonjeo aho.

26. Fa Izy namaly ka nanao hoe: Tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an'ny amboakely.

27. Fa hoy ravehivavy: Marina izany, Tompoko; fa na dia ny amboakely aza mba mihinana izay sombintsombiny latsaka avy amin'ny latabatry ny tompony ihany.

28. Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, lehibe ny finoanao; tongava aminao araka izay irinao. Dia sitrana ny zananivavy tamin'izay ora izay.

29. Ary raha niala teo Jesosy, dia nankany amoron'ny Ranomasin'i Galilia Izy; ary niakatra nankeo an-tendrombohitra Izy ka nipetraka teo;

30. ary nisy vahoaka betsaka nankeo aminy nitondra ny mandringa, ny jamba, ny moana, ny kilemaina, ary ny maro hafa koa, ka nametraka azy teo akaikin'ny tongotr'i Jesosy; dia nahasitrana azy Izy;

31. ka dia talanjona ny vahoaka, raha nahita ny moana miteny, ny kilemaina sitrana, ny mandringa afaka, ary ny jamba mahiratra; dia nankalaza an'Andriamanitry ny Isiraely izy.

32. Ary Jesosy niantso ny mpianany hankeo aminy ka nanao hoe: Mahonena Ahy ny vahoaka, fa efa nitoetra hateloana tatỳ amiko izy izao ka tsy manan-kohanina; ary tsy tiako ny hampody azy tsy mihinana, fandrao reraka eny an-dalana izy.

Matio 15