17. Tsy fantatrareo va fa izay rehetra miditra amin'ny vava dia mankao an-kibo ka avoaka ao amin'ny fivoahana?
18. Fa izay mivoaka avy amin'ny vava kosa dia avy amin'ny fo, ka izany no mahaloto ny olona.
19. Fa avy amin'ny fo no ivoahan'ny sain-dratsy, dia ny vonoan'olona, ny fakam-badin'olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy;
20. izany no mahaloto ny olona; fa ny mihinana amin'ny tanana tsy misasa tsy mba mahaloto ny olona.
21. Dia niala teo Jesosy ka nankany amin'ny fari-tanin'i Tyro sy Sidona.
22. Ary, indro, nisy vehivavy Kananita anankiray nivoaka avy tamin'izany tany izany ka niantso nanao hoe: Mamindrà fo amiko, Tompoko, Zanak'i Davida ô! ny zanako-vavy ampahorin'ny demonia loatra.
23. Fa Izy tsy namaly teny azy. dia nanatona ny mpianany ka nangataka taminy nanao hoe: Roahy izy, fa miantso mafy ato aoriantsika.
24. Ary Izy namaly ka nanao hoe: Tsy nirahina Aho afa-tsy ho amin'ny ondry very amin'ny taranak'isiraely.
25. Fa nanatona ihany ravehivavy, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Tompoko ô, vonjeo aho.
26. Fa Izy namaly ka nanao hoe: Tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an'ny amboakely.
27. Fa hoy ravehivavy: Marina izany, Tompoko; fa na dia ny amboakely aza mba mihinana izay sombintsombiny latsaka avy amin'ny latabatry ny tompony ihany.
28. Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, lehibe ny finoanao; tongava aminao araka izay irinao. Dia sitrana ny zananivavy tamin'izay ora izay.