10. Ary niantso ny vahoaka hankeo aminy Izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa ka mahafantara:
11. tsy izay miditra amin'ny vava no mahaloto ny olona; fa izay mivoaka avy amin'ny vava, izany no mahaloto ny olona.
12. Dia nankeo aminy ny mpianatra ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa tafintohina ny Fariseo, raha nandre izany teny izany?
13. Ary Izy namaly ka nanao hoe: Ny zavatra rehetra izay tsy nambolen'ny Raiko Izay any an-danitra dia hongotana.
14. Avelao izy; mpitarika jamba izy; ary raha ny jamba no mitarika ny jamba, dia samy ho latsaka any an-kady izy roa.
15. Ary Petera namaly ka nanao taminy hoe: Lazao aminay ny hevitr'izany fanoharana izany.