Matio 14:1-3 Malagasy Bible (MG1865)

1. Tamin'izany andro izany Heroda mpanapaka nandre ny lazan'i Jesosy,

2. ka hoy izy tamin'ny mpanompony: Jaona Mpanao-batisa izay; efa nitsangana tamin'ny maty izy, koa izany no ananany hery hanao izany asa lehibe izany.

3. Fa Heroda efa nisambotra an'i Jaona, dia namatotra azy ka nanao azy tao an-tranomaizina, noho ny tamin'i Herodiasy, vadin'i Filipo rahalahiny.

Matio 14