Matio 12:16-21 Malagasy Bible (MG1865)

16. ary nandrara azy Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy,

17. mba hahatanteraka izay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe:

18. Indro ny Mpanompoko, Izay nofidiko, Ny Malalako, Izay sitraky ny foko indrindra; Hapetrako ao aminy ny Fanahiko, Ary hitory ny rariny amin'ny jentilisa Izy;

19. Tsy hifanditra, na hiantso mafy Izy; Ary tsy hisy handre ny feony any an-dalana;

20. Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, Ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona, Ambara-pamoakany ny rariny ho mpandresy;

21. Ary ny anarany no hitokian'ny jentilisa (Isa. 42:1-4).

Matio 12