Matio 11:9-18 Malagasy Bible (MG1865)

9. Sa hizaha inona no nivoahanareo? Mpaminany va? Eny, hoy Izaho aminareo, sady mihoatra lavitra noho ny mpaminany izy.

10. Izy no ilay voasoratra hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao eo alohanao (Mal. 3. 1).

11. Lazaiko aminareo marina tokoa: Amin'izay nateraky ny vehivavy tsy mbola nisy nitsangana izay lehibe noho Jaona Mpanao-batisa; nefa ny kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra dia lehibe noho izy.

12. Ary hatramin'ny andron'i Jaona Mpanao-batisa ka mandraka ankehitriny ny fanjakan'ny lanitra dia rombahina, ary ny mpandrombaka maka azy an-keriny.

13. Fa ny mpaminany rehetra sy ny lalàna dia naminany hatramin'i Jaona.

14. Ary raha mety mandray ianareo, dia izy no ilay Elia izay ho avy.

15. Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.

16. Fa tahaka ny inona no hanoharako ity taranaka ity? Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay miantso ny namany ka manao hoe:

17. Efa nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo, efa nanao feo fisaonana izahay, nefa tsy niteha-tratra ianareo.

18. Fa tonga Jaona tsy nihinana na nisotro, ka hoy ny olona: Manana demonia izy.

Matio 11