Marka 9:4-11 Malagasy Bible (MG1865)

4. Ary Elia sy Mosesy niseho taminy ka niresaka tamin'i Jesosy.

5. Ary niteny Petera ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Raby ô, tsara raha mitoetra eto isika; ary aoka hanao lay telo izahay: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an'i Mosesy, ary ny anankiray ho an'i Elia.

6. Fa tsy fantany izay havaliny, satria efa raiki-tahotra izy rehetra.

7. Ary nisy rahona niseho nanarona azy; ary dia nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako, Izy no henoy.

8. Ary niaraka tamin'izay, nony nijery manodidina izy ireo, dia tsy nisy hitany intsony na iza na iza afa-tsy Jesosy irery ihany, Izay teo aminy.

9. Ary nony nidina avy teo an-tendrombohitra Izy, dia nandrara azy Jesosy mba tsy hilazalaza amin'olona izay zavatra efa hitany mandra-pitsangan'ny Zanak'olona amin'ny maty.

10. Ary nitana izany teny izany izy ka nifampaka saina ny amin'izay hevitr'izany fitsanganana amin'ny maty izany.

11. Dia nanontany an'i Jesosy izy ka nanao hoe: Lazain'ny mpanora-dalàna fa Elia tsy maintsy ho avy aloha.

Marka 9