4. Fa ny mpianany namaly Azy hoe: Aiza no hahazoana mofo atỳ an-efitra hahavoky ireto olona ireto!
5. Ary izy nanontany azy hoe: Misy mofo firy any aminareo? Ary hoy ireo: Fito.
6. Dia nasainy nipetraka tamin'ny tany ny vahoaka; ary dia nandray ny mofo fito Izy, ka rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony ny mpianany mba harosony; dia narosony teny anoloan'ny vahoaka izany.
7. Ary nisy hazandrano madinika vitsy tao aminy; ka rehefa nanaovan'i Jesosy fisaorana ireo, dia nasainy naroso teny anoloany koa.
8. Ary nihinana ny olona, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka nisy fito sobiky.
9. Ary tokony ho efatra arivo ireo. Dia nampodiny izy.
10. Ary niaraka tamin'izay dia niondrana an-tsambokely Izy mbamin'ny mpianany ka tonga tany amin'ny fari-tanin'i Dalmanota.
11. Ary ny Fariseo nankany, dia niady hevitra taminy ary naka fanahy Azy ka nitady famantarana avy any an-danitra.
12. Ary nisento mafy am-panahy Jesosy ka nanao hoe: Nahoana ity taranaka ity no mitady famantarana? Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy homena famantarana akory ity taranaka ity.
13. Ary nandao azy Izy, dia niondrana indray ka lasa nankeny am-pita.