17. Ary Jesosy nahalala izany, dia nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no miara-misaina, satria tsy manana mofo? Tsy mbola mahazo an-tsaina na mahafantatra va ianareo? Efa mafy va ny fonareo?
18. Mana-maso, fa tsy mahita va ianareo? Ary manan-tsofina, fa tsy mandre va ianareo? Ary tsy mahatadidy va ianareo?
19. Raha ny mofo dimy no novakiko ho an'ny dimy arivo, firy harona moa no sombintsombiny nangoninareo? Hoy ny mpianany taminy: Roa ambin'ny folo.
20. Ary raha ny mofo fito ho an'ny efatra arivo, firy sobiky moa no sombintsombiny nangoninareo? Dia hoy ny mpianany: Fito.
21. Ary hoy Izy taminy: Mbola tsy mahafantatra ihany va ianareo?
22. Ary tonga tany Betsaida izy; ary nisy nitondra lehilahy jamba teo amin'i Jesosy ka nangataka taminy hanendry ilay jamba.
23. Ary nitantana ilay jamba Izy ka nitondra azy teny ivelan'ny tanàna; ary rehefa nororany ny masony, ka napetrany taminy ny tànany, dia nanontaniany hoe izy: Mahita zavatra va ianao?
24. Dia niandrandra ralehilahy ka nanao hoe: Mahita ny olona aho: fa toa hazo ny fijeriko azy, saingy mamindra.
25. Dia napetrany tamin'ny masony indray ny tànany, dia nibanjina ralehilahy ka nahiratra tsara, ary hitany miharihary ny zavatra rehetra.
26. Ary Jesosy nampody azy ho any an-tranony ka nanao hoe: Aza mankao an-tanàna.
27. Ary Jesosy sy ny mpianany dia lasa nankeny amin'ireny tanàna momba an'i Kaisaria-filipo; ary nony teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Ataon'ny olona ho iza moa Aho?