12. Ary nisento mafy am-panahy Jesosy ka nanao hoe: Nahoana ity taranaka ity no mitady famantarana? Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy homena famantarana akory ity taranaka ity.
13. Ary nandao azy Izy, dia niondrana indray ka lasa nankeny am-pita.
14. Ary tsy tsaroan'ireo ny hitondra mofo, ka tsy nisy teo an-tsambokely afa-tsy mofo iray ihany.
15. Dia nananatra azy Izy ka nanao hoe: Mihevera, ka mitandrema ianareo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo sy ny masirasiran'i Heroda.
16. Ary niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ny tsy nitondrantsika mofo angaha izany.
17. Ary Jesosy nahalala izany, dia nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no miara-misaina, satria tsy manana mofo? Tsy mbola mahazo an-tsaina na mahafantatra va ianareo? Efa mafy va ny fonareo?
18. Mana-maso, fa tsy mahita va ianareo? Ary manan-tsofina, fa tsy mandre va ianareo? Ary tsy mahatadidy va ianareo?
19. Raha ny mofo dimy no novakiko ho an'ny dimy arivo, firy harona moa no sombintsombiny nangoninareo? Hoy ny mpianany taminy: Roa ambin'ny folo.
20. Ary raha ny mofo fito ho an'ny efatra arivo, firy sobiky moa no sombintsombiny nangoninareo? Dia hoy ny mpianany: Fito.
21. Ary hoy Izy taminy: Mbola tsy mahafantatra ihany va ianareo?