Marka 8:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Tamin'izany andro izany, nony betsaka indray ny vahoaka teo sady tsy nanan-kohanina izy, dia nantsoin'i Jesosy hanatona Azy ny mpianany ka nilazany hoe:

2. Mahonena Ahy ireo vahoaka, fa hateloana izay no nitoerany tatỳ amiko, sady tsy manan-kohanina izy;

3. koa raha hampodiko ho any an-tranony mbola tsy nihinana izy, dia ho reraka eny an-dalana, sady avy lavitra ny sasany.

4. Fa ny mpianany namaly Azy hoe: Aiza no hahazoana mofo atỳ an-efitra hahavoky ireto olona ireto!

5. Ary izy nanontany azy hoe: Misy mofo firy any aminareo? Ary hoy ireo: Fito.

6. Dia nasainy nipetraka tamin'ny tany ny vahoaka; ary dia nandray ny mofo fito Izy, ka rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony ny mpianany mba harosony; dia narosony teny anoloan'ny vahoaka izany.

7. Ary nisy hazandrano madinika vitsy tao aminy; ka rehefa nanaovan'i Jesosy fisaorana ireo, dia nasainy naroso teny anoloany koa.

Marka 8