17. Ary rehefa niala teo amin'ny vahoaka Izy ka niditra tao an-trano, dia nanontany Azy ny mpianany ny amin'izany fanoharana izany.
18. Ary hoy Izy taminy: Hay! ianareo koa aza mba tsy mahafantatra! Tsy fantatrareo va fa izay rehetra eo ivelan'ny olona ka miditra ao anatiny dia tsy mahaloto azy,
19. satria tsy miditra ao am-pony izany, fa ao an-kibony ihany, ka dia mivoaka ao amin'ny fivoahana; izany no nolazainy mba hahadio ny hanina rehetra.
20. Ary hoy Izy: Izay mivoaka avy ao amin'ny olona, dia izany no mahaloto azy.
21. Fa avy ao anatin'ny olona dia avy ao am-pony, no ivoahan'ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin'olona,
22. ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana:
23. izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin'ny olona ka mahaloto azy.
24. Ary niala teo Jesosy ka lasa nankany amin'ny sisin-tanin'i Tyro sy Sidona; dia niditra tao an-trano Izy, ary tiany tsy ho fantatry ny olona izany; kanefa tsy nahazo niery Izy.
25. Fa niaraka tamin'izay dia nisy vehivavy anankiray nandre ny aminy (ny zananivavy tanora dia azom-panahy maloto), dia nankao ka niankohoka tamin'ny tongony.
26. Ary jentilisa ravehivavy, avy amin'ny firenena Syro-foinika; dia nangataka taminy izy mba hamoaka ny demonia amin'ny zananivavy.