10. Fa hoy Mosesy: Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20. 12), ary koa: Izay miteny ratsy ny rainy sy ny reniny dia hatao maty tokoa (Eks. 21. 17).
11. Fa hoy kosa ianareo: Raha misy olona milaza amin'ny rainy na amin'ny reniny hoe: Efa korbana (izany hoe, fanatitra ho an'Andriamanitra) izay rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko,
12. dia tsy avelanareo hanao na inona na inona ho an'ny rainy sy ny reniny intsony izy,
13. ka dia foananareo ny tenin'Andriamanitra amin'ny fampianarana voatolotra anareo, izay nasainareo hotandremana; ary zavatra maro mifanahatahaka amin'izany koa no ataonareo.
14. Ary niantso ny vahoaka hankeo aminy indray Izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa Ahy ianareo rehetra, ka mahafantara.
15. Fa tsy ny zavatra avy eo ivelany izay miditra ao anatin'ny olona no mahaloto azy; fa izay mivoaka avy ao anatin'ny olona no mahaloto azy.
17. Ary rehefa niala teo amin'ny vahoaka Izy ka niditra tao an-trano, dia nanontany Azy ny mpianany ny amin'izany fanoharana izany.
18. Ary hoy Izy taminy: Hay! ianareo koa aza mba tsy mahafantatra! Tsy fantatrareo va fa izay rehetra eo ivelan'ny olona ka miditra ao anatiny dia tsy mahaloto azy,
19. satria tsy miditra ao am-pony izany, fa ao an-kibony ihany, ka dia mivoaka ao amin'ny fivoahana; izany no nolazainy mba hahadio ny hanina rehetra.
20. Ary hoy Izy: Izay mivoaka avy ao amin'ny olona, dia izany no mahaloto azy.
21. Fa avy ao anatin'ny olona dia avy ao am-pony, no ivoahan'ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin'olona,
22. ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana:
23. izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin'ny olona ka mahaloto azy.
24. Ary niala teo Jesosy ka lasa nankany amin'ny sisin-tanin'i Tyro sy Sidona; dia niditra tao an-trano Izy, ary tiany tsy ho fantatry ny olona izany; kanefa tsy nahazo niery Izy.
25. Fa niaraka tamin'izay dia nisy vehivavy anankiray nandre ny aminy (ny zananivavy tanora dia azom-panahy maloto), dia nankao ka niankohoka tamin'ny tongony.
26. Ary jentilisa ravehivavy, avy amin'ny firenena Syro-foinika; dia nangataka taminy izy mba hamoaka ny demonia amin'ny zananivavy.
27. Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ho voky aloha ny zaza; fa tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an'ny amboakely.
28. Fa ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe: Eny, Tompoko; kanefa na dia ny amboakely ao ambanin'ny latabatra aza dia mba mihinana ny sombintsombin'ny mofon-jaza ihany.
29. Dia hoy Jesosy taminy: Noho izany teny izany mandehana ianao; efa nivoaka tamin'ny zanakao-vavy ny demonia.