Marka 5:13-17 Malagasy Bible (MG1865)

13. Dia neken'i Jesosy. Ary ny fanahy maloto, rehefa nivoaka, dia niditra tao anatin'ny kisoa; ary ireo kisoa andiany ireo nitratrevatreva teny amin'ny hantsana ho any amin'ny ranomasina (tokony ho roa arivo no isany), ka dia maty tany amin'ny ranomasina izy.

14. Ary ny mpiandry azy dia nandositra ka nilaza tao an-tanĂ na sy tany an-tsaha. Dia nandeha ny olona mba hizaha izany zavatra izany;

15. ary tonga tany amin'i Jesosy izy ka nahita ilay demoniaka, izay nisy ny legiona, fa indro izy nipetraka nitafy lamba sady ary saina; ka raiki-tahotra ny olona.

16. Ary izay efa nahita dia nilazalaza tamin'ny olona izay natao tamin'ilay demoniaka sy ny amin'ny kisoa.

17. Ary nifona tamin'i Jesosy izy mba hiala amin'ny taniny.

Marka 5